Tatitra ny fitsidihana nataon’ny FCA tany amin’ny faritra Atsinanana
Nanantanteraka fitsidihana tany amin’ny Faritra Atsinanana ny mpikambana ao amin’ny FCA ny 20 sy 21 Oktobra 2016, nandraisan’ireo regions 6 (Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’i mania, Vatovavy Fitovinany, Itasy, Atsinanana) anjara.
Vao niainga teto Tana, dia nisy ny fifankafantarana teo amin’ny samy mpandray anjara, ary hita tamin’izany fa samy manana anjara toerana tena manan-danja izy ireo, na eo anivon’ny fiaraha-monina, na eo anivon’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Raha teo amin’ny fandaminana sy ny fandrindrana indray dia hita fa tsara ny fiomanana dieny vao mbola tsy niainga akory teto Antananarivo.
Teny Moramanga dia efa nanomboka ny fitsidihana, tao amin’ny “Usine de Féculerie” tao Marovitsika. Hita tamin’izany ireo dingana rehetra lalovana rehefa hanodina ny mangahazo ho lasa fécule. Nahaliana tokoa ny nahita ireo “machine à vapeur” izay tsy fahita intsony amin’izao vanin’andro iainantsika izao.
Nitohy ny fitsidihana ny ampitso, teny amin’ny Parc Ivoloina sy tao amin’ny CEFTAR, ho an’ny andiany voalohany,

Nahaliana ny fahitana ny biodiversité sy ny teknika maro ampiasaina @ fikarakarana izany ao @ Parka Ivoloina
ary teny amin’ny Anjara environnement ho an’ny faharoa. Hita tokoa fa efa manana traik’efa tokoa ireto farany amin’ny famokarana NONI, satria sady voafehin’izy ireo tsara ny fambolena izany, noho voafehy ihany koa ny fanodinana izany ho lasa “jus de noni”, sy ny famarotana izany. Nahafinaritra ihany koa ny fandraisan’ireo Fikamabanan’ny Vehivavy teo amin’ny tanàna, izay nanafana ny fitsidihana.
Nofaranana tamin’ny fitsidihana teny amin’ny Palmeraie de Melville ny visite-étude. Nahaliana tokoa ny fahitana an’ireo teknika maro samihafa fambolena palmier izay ahazahoana “huile de palme”, ampiraisana amin’ny fambolena hafa (carambole, noni, café, ylang ylang, litchis, cacaoyer, vetiver, vanillier, ananas,…). Hita tokoa fa matihanina daholo ireo olona miasa eo anivon’ny Savonnerie Tropicale, manomboka any amin’ireo mpamboly sy mpikarakara samihafa hatrany amin’ny mptitantana.

Maro tokoa ny karazana hazo sy voly manana ny asany sy anjara toerany eo @ fanatsarana ny fiainan-dra-olombelona tao @ Palmerais de Melville
Ny tena nahatanlanjona sy ny lesona azo tsoahina nandritra ny fitsidihana dia hita fa ny mpiasa rehetra eo anivon’ireo orinanasa ireo dia olona monina eny amin’ny manodidina ny orinasa eny ihany. Hita izany fa mampandroso ireo faritra misy azy ireo ny orinasa, satria manolotra asa ho an’ny mponina eny aminy, ary mampitombo kokoa ny vokatra noho izy ireo efa nilona tao amin’ilay asa efa an-taonanan’ny maro (ny sasany amin’izy hatramin’ny fahankeliny).

Misaotra any Anjara Environnement tamin’ny fandraisana makotrokotroka sy ny fizarana traikefa sy fahalalana rehetra koa !
Nosoratan’i Randrianantenaina Niavo Fondant. Momba ny mpanoratra: http://fca-madagascar.org/realuser/randrianantenaina-niavo-fondant